1
Hetsiky ny fikambanana ho an’ny teny iraisam-pirenena Esperanto / Praha-manifestet — на малагасійскай і нарвежскай мовах

Малагасійска-нарвежская кніга-білінгва

Hetsiky ny fikambanana ho an’ny teny iraisam-pirenena Esperanto

Praha-manifestet

Hetsiky ny fikambanana ho an’ny teny iraisam-pirenena Esperanto. Isika mpikambana iraisam-pirenena ho an’ny teny Esperanto mba ho fampandrosoana azy, dia hampita izao ezaka izao amin’ireo fitondrampanjakana, fikambanana iraisam-pirenena sy olona tsara sitra-po, hanambara amin’ny tanjona izay voasoritr’ity ary manasa ny fikambanana tsirairay sy ny olom-pirenena mba hirotsaka ka hanohana izao ezaka ataontsika izao.

Vi deltakere i verdensbevegelsen for å fremme esperanto, retter dette manifestet til alle regjeringer, internasjonale organisasjoner og mennesker av god vilje; erklærer vår viljefaste hensikt å arbeide videre for målene som er beskrevet her; og innbyr hver enkelt organisasjon og hvert enkelt menneske til å slutte seg til vårt arbeid.

Ny taona 1887 nisy antso ho toy ny drafitr’asa ho amin’ny fifandraisam-pirenena ary mba hampivoatra haingana eo amin’ny tontolon’ny fiainana, ny taonan’ny Esperanto dia efa ho zato taona amperin’asa mba hampiray ny olombelona voazarazaram-pitenenana isan-karazany, ary koa voaefitry ny kolontsaina samy manana ny azy. Eo anelanelam-potoana, ireo mpiteny azy dia tsy nanary velively ireo zava-dehibe sy ny sotoavina. Na ny fampiasana teny vitsivitsy eran-tany, na ny fandrosoana maro entin’ny fifandraisana ara-teknika, na koa ny fitrandrahana ireo fomba vaovao ho fampianaran-teny dia manamarina izao feinitra manaraka izao, izay isika no mampisy lanja mazava sy hampivoitra ny onjam-peon’ny teny.

Esperanto ble lansert i 1887 som forslag til hjelpespråk for internasjonal kommunikasjon, og utviklet seg raskt til et levedyktig, nyanserikt språk. Det har i over hundre år fungert som bindeledd mellom mennesker på tvers av språk- og kulturbarrierer. I denne tiden har målene til de som snakker det ikke mistet sin betydning eller aktualitet. Hverken den verdensomfattende bruken av enkelte nasjonalspråk eller fremskrittene innen kommunikasjonsteknologi, og heller ikke utviklingen av nye metoder for språkopplæring vil kunne oppfylle følgende prinsipper, som vi betrakter som vesentlige for en rettferdig og effektiv språklig ordning.

1. Fanehoan-kevitra

1. Demokrati

Fomba fifandraisana izay manome aina manokana ny olona tsirairay avy nefa mifampiankina ny tsirairay, dia tokony ho vonona izy ireo ho amin’ny ezaka mandavan-taona mba hatratrarana ny dingana mazava mba ho fototry ny fanehoan-kevitra ary koa na dia tsy tonga lafatra aza ny Esperanto.

Et kommunikasjonssystem som gir noen mennesker livslange privilegier, mens det krever av andre at de skal streve i årevis for bare å oppnå en lavere grad av kompetanse, er grunnleggende udemokratisk. Selv om esperanto, som ethvert annet språk, ikke er fullkomment, er det alle konkurrenter helt overlegent når det gjelder likeverdig kommunikasjon.

Isika manamafy fa tsy fitoviam-pitenenana dia mazàna mirona ho amin’ny tsy fitoviam-pifandraisana eo amin’ny sehatra samihafa. Isika dia fikambanana ho amin’ny fifandraisan’ny fanehoan-kevitra.

Vi hevder at mangel på språklig likeverd resulterer i språklig ubalanse på alle nivåer, inkludert det internasjonale. Vi arbeider for demokratisk kommunikasjon.

2. Fifandraisam-pirenena eo amin’ny fanabeazana

2. Internasjonal utdannelse

Ny fiteny kely angaha atao hoe madinika dia mifamatotra ary voafaritra eo amin’ny kolontsaina amin’ny firenena tsirairay avy. Ohatra, ny mpianatra izay mianatra ny teny anglisy, na mianatra momba my kolontsaina, jeografia sy ny politika ho an’ireo tany miteny anglisy, indrindra ny Amerika sy Angletera, araka izany dia voafetra hatreo ihany. Ireo mianatra ny Esperanto kosa dia mianatra eo amin’ny tontolo tsy voafetra ary izay firenena na iza misy azy dia olona ao an-tranony ihany izy ireo.

Ethvert etnisk språk er knyttet til en bestemt kultur og nasjon (eller nasjoner). F.eks. lærer alle engelskelever om kulturen, geografien og politikken til de engelskspråklige landene, særlig USA og Storbritannia. Den som studerer esperanto lærer om en verden uten grenser, hvor alle land blir fremstilt som hjem.

Isika manamafy fa ny fandalimana na amin’ny teny inona na amin’ny teny inona dia voafatotra sy voafetra ihany eo amin’ny tontolo iainana. Isika dia fikambanana ho amin’ny fifandraisam-pirenena eo amin’ny fanabeazana.

Vi hevder at utdannelse ved hjelp av ethvert etnisk språk er begrenset av et bestemt verdensperspektiv. Vi arbeider for internasjonal utdannelse.

3. Fiasana mahomby ara-pedagojia

3. Pedagogisk effektivitet

Ampahany ihany amin’ireo mianatra ny teny vahiny no mahafehy azy tsara. Ny Esperanto kosa dia azo ianarana samy irery, azo lazaina fa feno eo amin’ny lafiny rehetra. Ny fianarana maro isankarazany manome tatitra fa ny fampianarana amin’ny teny vahiny angaha dia mitondra fahombiazana. Misy ihany koa sahy manambara fa ny Esperanto ihany vao mainka tsara eo amin’ny fianaran’ireo mpianatra mandalina ny teny.

Bare noen få prosent av de som studerer et fremmedspråk, oppnår å beherske det fullt ut. Med esperanto er dette mulig til og med ved selvstudium. Forskjellige studier viser hvordan kunnskaper i esperanto letter innlæringen av andre språk. Esperanto anbefales også som kjerneelement i kurs som skal utvikle elevenes språkbevissthet.

Isika manamafy fa ny fahasarotan’ireo teny vitsy manpiasa dia zary sakana loatra ho an’ireo mpianatra, izay tsy maintsy mianatra teny roa. Isika dia fikambanana mikendry ny fahombiazam-pampianarana.

Vi hevder at vanskelighetene i de etniske språkene alltid vil presentere en hindring for mange elever, som ellers ville ha hatt nytte av kunnskaper i et fremmedspråk. Vi arbeider for effektiv språkopplæring.

4. Fahamaroan-teny

4. Flerspråklighet

Ny fiaraha-monina eo amin’ny Esperanto dia iray amin’ireo fiaraha-monina misy eto an-tany ka ireo mpiteny azy dia tsy manavaka teny noa na maro. Ny fiaraha-monina eo aminy dia mandray andraikitra hianatra farafahakeliny teny vahiny iray hatramin’ny hahaizany mifehy azy tsara. Antony maro moa no mahatonga hianatra ho amin’ny fitiavana ny teny maro ary amin’ny ankapobeny dia finiavan’ny tsirairay ho amin’ny fivelarana izany.

De som snakker esperanto utgjør et av de få større språksamfunn hvis medlemmer uten unntak er to- eller flerspråklige. Alle har tatt på seg oppgaven å lære minst ett fremmedspråk godt nok til å kunne bruke det muntlig. I mange tilfelle fører dette til kunnskaper i og kjærlighet til flere språk, og generelt til en utvidet personlig horisont.

Isika dia manamafy fa ireo mpikambana amin’ireo teny maro, na kely ireo na lehibe dia tokony hametraka mazava tsara ny fototra ho amin’ny famaritana ny teny faharoa izay ianarana ka hatramin’ny fahaizana azy avo lenta. Isika dia fimanbanan ho amin’ny fampitaovana eo amin’ny lafin’ny fahombiazana.

Vi hevder at tilhørere av alle språksamfunn, store som små, bør ha en reell sjanse til å tilegne seg et fremmedspråk og kunne bruke det til å kommunisere godt. Vi arbeider for å hjelpe dem til det.

5. Ny zon’ny teny

5. Språklige rettigheter

Tsy mitovy velively ny fizarazarana eo amin’ny hery samihafa ireo teny tsirairay ho amin’ny fahatsapana fa misy mizana tsindrianila eo amin’ny sehatra maro amin’ny mponina, maro tokoa io. Eo amin’ny fiaraha-monina Esperanto kosa, ny mpikambana dia mivory tsy misy fiandamiana na teny kely na lehibe, na fiteny ofisialy na tsia, ary eo anivon’ny tsy fiombana na eroa na etsy noho ny fifandraisana mazava iaraha-mientana. Izany fifandanjan-kery izany eo amin’ireo teny samihafa dia manana ny andraikiny avy mba hampivoatra ary mitondra vahaolana ho amin’ireo tsy fitoviam-pitenenana zary misy disadisa.

Den ulike maktfordelingen mellom språkene er oppskriften for konstant språklig usikkerhet, eller direkte språklig undertrykking hos en stor del av verdens befolkning. I esperantomiljøet møtes de som taler små og store språk — nasjonale språk og minoritetsspråk — på nøytral grunn, takket være den gjensidige viljen til kompromiss. En slik balanse mellom språklige rettigheter og forpliktelser skaper presedens for å utvikle og vurdere andre løsninger på misforhold og konflikter mellom språk.

Isika manamafy fa ireo hery maro misy eo amin’ny fitenenana samihafa dia mihady lavaka ho amin’ny tsy fahazoana antoka ireo tahirin-kevitra iraisam-pirenena ka ny fitoviana azo antoka eo amin’ny teny no tsara. Isika dia fikambanana ho an’ny zon’ny teny.

Vi hevder at de store maktforskjellene mellom språkene undergraver garantiene formulert i mange internasjonale dokumenter, om likeverdig behandling uavhengig av språk. Vi arbeider for språklige rettigheter.

6. Fahasamihafam-pitenenana

6. Språklig mangfold

Ny fitondrampanjakana eran-tany dia manamarika ny fisian’ny fahasamihafa ny teny eto amin’izao tontolo izao ary sakana lehibe ho amin’ny fifandraisana izany sy fivoarana ihany koa. Ho an’ny fikambanana Esperanto kosa my fahasamihafana dia tsy vato misakana velively eo amin’ny loharano azo tovozina.

Regjeringene i de enkelte landene ser gjerne på det store språklige mangfold i verden som en hindring for kommunikasjon og utvikling. Men for de som bruker esperanto er det språklige mangfold en varig og uunnværlig kilde til rikdom. Følgelig er ethvert språk, likesom enhver dyreart, verdifullt i seg selv, og er verne- og støtteverdig.

Araka izany ny teny tsirairay dia karazana zava-mahavelona lafo vidy tokoa ary mendrika harovana mandramaty. Isika dia fikambanana ho amin’ny fandalàna ny fahafamihafam-pitenenana.

Vi hevder at kommunikasjons- og utviklingspolitikken, hvis den ikke er basert på respekt for og støtte til alle språk, betyr en dødsdom over flertallet av språk i verden. Vi arbeider for språklig mangfold.

7. Fahafahana maha-olona

7. Frigjøring av individet

My teny tsirairay dia manafaka ny mpiteny azy ary manome azy ireo fifandraisana samy izy, kanefa zary sakana ho azy ireo ny fifandraisana amin’ny fiteny hafa. Drafitra toy ny fifandraisana eran-tany, Esperanto dia iray sy goavana eo amin’ireo sotoavina sy vinavinan’asa ho amin’ny maha-olona. Drafitr’asa ho amin’ny olona tsirairay mihitsy mba hahafahany mandray anjara eo amin’ny fiaraha-monina, koa ny fototra hiaingana amin’izany dia ny kolontsaina, ny fitoviam-pitenenana nefa tsy mamatotra azy ireo.

Ethvert språk både frigjør og hemmer de som bruker det: Det gir dem muligheten til å kommunisere seg imellom, men det stenger for kommunikasjon med andre. Esperanto ble planlagt som globalt kommunikasjonsmiddel, og er nå et av de store realiserte prosjektene for menneskets frigjøring — et prosjekt som skal gjøre det mulig for alle å delta som individ i verdenssamfunnet, med solide røtter i sin lokale kulturelle og språklige identitet, men ikke begrenset av disse.

Isika dia manamafy fa ao anatin’ny fampiasana ny fitenim-pirenena tsirairay avy dia tsy midika fa misy sakana na fanerena anaty ho amin’ny fananganana fikambanana. Isika dia fikambanana ho amin’ny fahafahana maha-olona.

Vi hevder at den eksklusive bruken av nasjonale språk uunngåelig skaper hindringer for friheten til å uttrykke seg, kommunisere og slutte seg sammen med andre. Vi arbeider for frigjøringen av mennesket.

Prago, jul. 1996

Prago, jul. 1996

Рэклама